Vonoan’ olona tao Ambodiriana: Lehilahy voaheloka mandra-pahafaty

Voasazy higadra mandra-pahafaty, taorian’ny fitsarana azy, tao Toa­masina, ny 26 avrily teo, ny lehilahy iray. Niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao Ambodiriana nahavoarohirohy an’ io lehilahy io. Nandritra ny fifandaharana teo amin’ny mpitsara, mpampanoa lalana sy ny voampanga ary ny mpitory, niezaka niaro tena sy nanda ny voampanga. Nam­barany fa tsy tao an-toerana izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny famonoana. Nanamafy ny vavolombelona tamin’ny firaketana an-tsoratra teny amin’ny mpitandro filaminana fa nisakaiza tamin’ilay vehivavy niharan’ny famonoana io lehilahy io. “Samy taizana mpivady izy roa tamin’ny fahazazany. Havan’ny vavy ilay ramatoa raha toa ka havan’ny lahy ilay rangahy. Nisakaiza tamin’ny olona hafa ilay vehivavy taty aoriana. Tsy zakan’io lehilahy niara-notaizana taminy io izany”, hoy ny vavolombelona. Narahin’io lehilahy io tanaty ala ilay vehivavy sakaizany sady niara-notaizana taminy. Nofirany antsy. Tetsy ankilany, “nisy vehivavy telo samihafa zareo tao an-tokantrano ka samy tian’ ilay lehilahy io avokoa. Niarahany avokoa ireo ka tsikaritr’ilay sakaizany izany. Nisafidy ny hisaraka ity farany ka antony namonoany azy” hoy kosa ny hafa. Vokany, nilatsaka ny didy fanamelohana faratampony amin’ny didy famaizana misy eto Madagasikara. Voa­heloka asa an-terivozona am-ponja mandra-pahafatiny ny voampanga.

Sajo

Partager sur: