Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% ny tahan’ny alikaola, miloko matroka (ambrée) raha 5,4% ny mahazatra (blonde). Anaty tavoahangy 33 cl ity vokatra manokana ity, raha 65 cl sy 33 cl ary kanety 50 cl ny mahazatra. Voafetra ho roa volana ihany no ahitana ity labiera avoakan’ny Star ity, nivoaka nanomboka ny volana mey hatramin’ny jona 2025. Azo jifaina manerana ny Nosy. Efa misy any Antsirabe, Mahajanga, Toamasina ary Antananarivo. Manomboka tonga tsikelikely kosa ny any amin’ny tapany avaratra sy atsimo, satria lavitra ny toerana.
Manampy ireo, nahazo ny medaly volamena indray ny marika THB tamin’ity taona 2025 ity. Tafiditra ao anatin’ny fifaninanana « Monde sélection Bruxelles », nandraisan’ ny THB anjara nanomboka ny taona 1980 ary efa nahazoany medaly volamena. « Midika ireo fa tsy miova sady azo antoka ny kalitaon’ny vokatra omena ny mpanjifa», hoy ihany Rakotonarivo Miora.
Njaka A.