Ady amin’ny herisetra VBG : 34 ny toeram-pandraisana tohanan’ny UNFPA

Araka ny fanadihadiana EDS, natao ny taona 2021, momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, 29,4% ny tahan’ny herisetra ara-batana (vehivavy iray amin’ny telo), 13,7 % ny tahan’ny herisetra ara-pananahana.

30% amin’ny ankizy no manambady mialoha ny faha-18 taonany ka ny 40% amin’ny tovovavy 20-24 taona no niroso tamin’ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taona, eto amintsika. Firenena faha-14 maneran-tany i Madagasikara amin’ny tahan’ny ankizy manambady mialoha ny faha-18 taonany. Hampihenana ny taha, misy ny ezaka atao miaraka amin’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) sy ny mpiantsehatra samihafa. Nandritra ny taona 2024, mahatratra 34 ny isan’ny rafitra fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra. Miparitaka amin’ny faritra 10 izany, tohanan’ny UNFPA mivantana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny miralenta ao aminy, Rasoa­nirina Jocelyne. 24 324 ireo olona niharan’ny herisetra nisitraka fandraisana an-tanana teny anivon’ny toeram-pandraisana ao anatin’ny distrika sy ny faritra. Ireo Clinique mobile mitety vohitra koa afaka mandray ireo niharan’ny herisetra mipetraka lavitry ny toeram-pandraisana efa miasa.
Ao anatin’ny asa vita nandritra ny taon-dasa koa ny fampiofanana ireo mpisehatra miisa 87 hanatsarana ny fandraisana ny trangana herisetra. Momba ny fanentanana, 420 093 ny olona nahazo fahalalana momba ny ady amin’ny herisetra teny anivon’ny fikambanan’ny tanora, mpitarika fivavahana, olobe…
Ankoatra izay, nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-10 natokana ho an’ny mpikirakira vaovao momba ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tovovavy sy ny zo ho fizakantenan’ny vehivavy aty Afrika i Madagasikara, ny volana desambra lasa teo. Ny tambajotran’ny mpanao gazety mivoy ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Rema­psen) no nisolo tena antsika tany Dakar, nanatrika izany.

Vonjy

Partager sur: