Aretina mampivarahontsana, amin’izao fotoana, ny homamiadana, izay nirongatra tato anatin’ny 10 taona izao. Izy io izay aretina mitranga amin’ny taova ahitana ny fiantombohan’ny fiovan’ny sela, araka ny fanazavan’ny profesora Rafaramino Florine.
Raha vao misy aretina mitarazoka loatra dia mila manatona mpitsabo anaovana fitiliana sao sanatria homamiadana.
Rehefa miha antitra ny sela dia mety hivadika ho homamiadana, indrindra ho an’ireo zokiolona. Misy koa anefa ny karazany mpahazo ny ankizy sy ny tanora izay miseholany koa, ankehitriny. Mety hiseho amina fivontosana na fanaintainan’ny taova na mandeha ra izany. Mety miha mahia, hatsatra matetika kanefa tsy hita fototra ny antony… Misy izy ireny azo tiliana, toy ny amin’ny nono, ny vozon’ny tranon-jaza ary ny tsinay.
Mahatonga ny aretina, amin’ny ankapobeny, ny fifohana sigara, ny fihinanana zava-mamy sy zavatra matavy matetika ary ny sakafo avy amin’ny vokatra simika…Azo atao kosa ny mitsabo rehefa voatily mialoha izany. Toy izany koa ny fiarovana amin’ny fanovana ny fomba fiaina. Ireo sakafo anti-oxidant no anisan’ny fisorohana ny homamiadana, anisany ny tamotamo… Zava-dehibe ny fampiasam-batana sy ny fandanjalanjana ny sakafo, indrindra ny vokatra natoraly tsy voahodina na misy singa simika.
Tatiana A