Beach Soccer – « Festival Mazavaloha »: Atao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea

Raha somary natoritory ny taranja beach soccer, hofohazina amin’ny alalan’ny “Festival Mazavaloha” indray. Hitovy amin’ny fifaninanam-pirenena mihitsy satria hitiliana ireo izay handrafitra ny Barea de Madagascar. Hiara-dalana amin’izany ny fiofanana ho an’ny mpanazatra.

Hotanterahina any Maha­janga, ny 3 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ny “Festival Mazavaloha”, taranja beach soccer na baolina kitra lalaovina ambony fasika, izay karakarain’ny Yas Madagas­car sy ny Federasionina ma­lagasin’ny baolina kitra (FMF). Nisy ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Andraharo, niresahina manokana mahakasika izany.
Nilaza i Theophan Pontiac, tomponandraikitra voalohan’ny beach soccer eo anivon’ny federasionina, fa atao ity fifaninanana ity hahafahana mitily ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can) sy ny Cosafa Cup.

Hiofana ny mpanazatra

Ankoatra izay, hampiavaka ny hetsika ny fahatongavan’ilay frantsay mpanazatra Barea fahiny, i Claude Barra­bé. Raha ny fanazavana no­men’ny tale teknika nasiona­lin’ny FMF, ity teknisianina frantsay ity no hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana ny mpanazatra. Faritra 12 eo no andrasana hisoratra anarana amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Hatreto, efa mi­isa fito ireo nilaza fa handray anjara amin’izany. Ankoatra ny faritra Boeny, mpampiantrano, ho avy koa Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Melaky, Atsinanana ary Anosy. Hoza­raina ao anaty vondrona telo ireo faritra 12 mandray anjara, ka tafita amin’ny ampahefa-dalana ny valo mendrika in­drindra.
“Somary nangina ny resaka beach soccer teo aloha. Ny fa­ran’ny taona ho avy izao, hikarakara fifaninanana nasionaly amin’ity taranja ity ny federasionina”, hoy i Theo­phan Pontiac, filohan’ny beach soccer eo anivon’ny FMF.

Fitia Randria

Partager sur: