28 taona taorian’ny nahafatesany, mbola maro ireo asa soratr’i Randja Zanamihoatra no tsy fantatry ny besinimaro. Kasaina havoaka izy ireny, mandritra ity fankalazana ity.
“Eny ho’aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao
Saingy masina ny sata izay voahitsakitsakao”…
Andininy iray anatin’ny “Malagasy mankany”, voarakitra ao anatin’ny boky Vainafo Tononkira io. Angamba koa ho ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra hain’ny maro sy mora takarina indrindra tamin’ireo aman-jatony nataony. Antony nisafidianana azy, nantsaina voalohany nandritra ny lanonana nanokafana ny fankalazana ny faha-100 taonan’ity poeta ity, izay notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, efitrano Dox, omaly. “Tsy nahalala firy azy amin’ny maha mpanoratra, noho ireo nikaroka sy nandalina ireo asa sorany izahay. Maniry kosa ny hamoahana ireo asa sorany mbola tsy nivoaka sy hamerenana ny fanontana ireo boky efa nivoaka mba hampahafantarina ny besinimaro”, hoy ny ampahany tamin’ny fandraisam-pitenenan-dRandraimananjara Nobel, zanak’i Randja Zanamihoatra.
“Fanahin’ny Poeta, mihoatra ny ara-batana
Sy varavaran-telon’izao tontolo izao Irery mahalala tafiditra mivantana
Anivon’ny “tsy fantatra” nefa manindao…
“Poeta”, tononakalo nantsaina faharoa, nozarain’i Avelo Nidor tamin’ireo nanatrika ny lanonana omaly. Maneho ilay fanilo miampita avy amin’i Randja Zanamihoatra mankaty amin’ireo poeta ankehitriny ihany koa io. Maro izy ireo no naka aingam-panahy tamin’ny fomba fanoratr’ity andrarezina “feno misitery”, araka ny nambaran’i Nirihaja, poeta sady filohan’ny komity mpikarakara ny fankalazana ny faha-100 taona.
“Mendrika ampitaina ilay toe-tsaina manoro ny mpiara-belona, amin’izao. Tsy navelan’i Randja Zanamihoatra ho zimbazimbaina ny teny malagasy ary nivoy sy nizara ny fahalalana mandrakirava izy”, hoy kosa ny fanamafisana nataon-dRakotondrasoava Fetra, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Midika izany fa hanohana ny tohin’ny fampahafantarana ireo sorakanto navelany ny minisitera.
Rahampitso 29 mey no tena katroka ny zato taonan’i Randja Zanamihoatra. Hisy ny velakevitra manodidina ny lohahevitra “Randja Zanamihoatra sy ny fiakaran’ny aingam-panahiny”, hatao eny amin’ny Le Park Bemasoandro, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampahafantarina mandritra izany ireo boky efa nivoaka, ireo sanganasany tsy mbola fantatry ny besinimaro.
Zo ny Aina