Tontosaina anio tolakandro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanokafana ny faha-25 taonan’ny Sampana Havàtsa-Upem Arivonimamo. Ny fampahafantarana ny boky «Fandrotrarana» no vontoatin’ny fandaharam-potoana amin’izany. Hisy ihany koa ny fiantsana tononkalo sy dinika iarahan’ny mpanatrika sy ny mpikarakara.
Raha tsiahivina, mirakitra amboara tononkalo ity boky ity. Tononkalo mahatratra 80 no ao anatiny. 16 kosa ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo sy Imerintsiatosika nanolotra ny diam-peniny. Izany hoe, sanganasa miisa dimy isaky ny mpanoratra. Tafiditra ao anatin’ny boky ihany koa ny famintinana ny tantaran’ny Havàtsa-Upem. Nanao ny teny fanolorana Ravorombato, filohan’ny sampana Havàtsa-Upem Arivonimamo. I Hobiana kosa no nanao ny sasinteny. Ny alarobia 18 desambra 2024 kosa no namoahana ny boky « Fandrotrarana », tao amin’ny Clac Arivonimamo.
Nomarihin’ny filohan’ity sampana Havàtsa-Upem ity fa amin’ny taona 2026 vao feno 25 taona katroka ny sampana. Hisy hatrany ny hetsika hoenti-manamarika izany. Fantatra fa anisan’ny sampana Havàtsa-Upem ahitana sokajin-taona samihafa ny any Arivonimamo. Manome lanja sy mametraka ho zava-dehibe ny fifanakalozana sy ny fifampizarana traikefa rahateo izy ireo
HaRy Razafindrakoto