Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mpampiasa lalana avokoa ny mpamily fiara misy motera na tsia, ny mpandroaka biby mpitarika, mpitondra entana na fitaingina, ny mpandeha fiarakodia ary ny mpandeha an-tongotra, araka ny lalàna laharana faha-2017-002, and 1.2-3, mahakasika ny fehezan-dalàna momba ny fifamoivoizana. Mbola maro anefa izy ireny no tsy mahafehy na tsy mahay ny lalàna mifehy izany ka antony mahatonga ny loza maro samihafa eny an-dalana eny, raha ny fanadihadiana natao. “Antony mahatonga ny loza ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eo amin’ny samy mpampiasa lalana”, hoy Rajaonarison Noro Nirina, talen’ny sekoly fianarana mamily fiarakodia Tri H etsy Ampasamadinika. Nambarany ho mahatonga izany, indrindra eo amin’ny mpitondra bisikileta, ny tsy fisian’ny Catadiopre na marika manjelatra amin’izy ireny. Mazava sy manjelatra ireo takelaka ireo rehefa tarafin’ny jiro amin’ny alina. Maro ny bisikileta voadonan’ny fiara eny an-dalana noho ny tsy fisian’izy ireny, raha ny fanazavana hatrany.
Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana koa dia anisan’ny antony mahatonga ny loza, izay manodidina ny 89% ny taha voafaritra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny DGSR. Tafiditra ao anatin’izany, ny hetraketraky ny mpitondra, ny fitiavana te handeha mafy, ny tsy fahazaina mifandefitra, ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana, ny tsy fahaizana lalàna mifehy tsotra izao… Antony faharoa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny teknikan’ny kodiaran-droa sy ny fiara, izay manodidina ny 8% eo. Antony fahatelo ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny lalana eto amin’ny Nosy, manodidina ny 3% eo ny taha mahakasika izany, raha ny tatitra voaray hatrany.
Hadino ny lalàna rehefa ela ny ela
“Samy nianatra nitondra fiara sy nianatra Fitsipiky ny fifamoivoizana avokoa ny olona rehetra, fa rehefa elaela mitondra dia tonga ny fahazarana”, hoy Rajaonarison Noro Nirina. “Io fahazarana io no manova zavatra betsaka satria mahatsapa mahay ny olona ary lasa tia misetrasetra na koa manadino ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana”, hoy hatrany izy. Tokony hisy hatrany ny fanentanana sy famerenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra, raha ny nambarany. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny mpamily fiara, mpitondra moto, bisikileta, eny fa na dia ny mpandeha an-tongotra aza. Anisan’ny fomba iray hanenana ny lozam-pifamoivoizana misy eto an-toerana izany na tsy hahafongotra tanteraka ny loza misy aza. “Tokony hisy hatrany ny fanentanana sy famerenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eny anelanelan-taona eny”, hoy izy nanamafy.
Famerenana ny lalàna ho an’ny moto
Nanao hetsika famerenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fomba familiana eny an-dalana, ny sekoly mampianatra mamily Tri-H, etsy Ampasamadinika, ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany maimaimpoana ireo mpitondra moto 40 tonga voalohany tamin’io fotoana io. Teo koa ny fametrahana tara-pahazavana ho an’ny bisikileta tonga teny an-toerana. Tafiditra tao anatin’ny Herinandron’ny aro lozan’ny fifamoivoizana ny hetsika.
Manana anjara andraikitra amin’ny fampianarana omeny ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia satria miankina aman’aina ny fitondrana fiara na kodiaran-droa. Naverina nampianarina maimaimpoana ireo lalàn’ny fifamoivoizana fototra satria mety ho adino rehefa nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mitondra, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, anisan’ny natao teny an-toerana koa ny fitsapana ny tahan’ny zava-pisotro mahamamo eo amin’ny mpamily. Nahatsapa ny voka-dratsin’ny fahamamoana eny am-pitondrana fiara ny mpamily satria mahatonga lozam-pifamoivoizana maro izany. «Tombony ho ahy ny nandalovako teto amin’ity hetsika ity satria nampahatsiahy ahy sy namerina ny lesona natao efa am-polo taona maro”, hoy Randrianantenaina, mpitondra kodiaran-droa.
Nanatontosa : Mino