Feno zato andro, omaly, ny nitantanan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitra Mahanoro, faritra Atsinanana, Randriantsarafara Elio. Nifanarahana tamin’ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra ny fanaovana tatitra isaky ny zato andro. Koa nisy ny fifanakalozana ny ezaka vita sy ny mbola hatao amin’ny zato andro manaraka: ny fanatsarana tsena, ohatra.
Hetahetan’ny mponina amin’ny fokontany 11 ao amin’ny tapany ambony amin’ny kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny hahazoana kaominina manokana. Manahirana, ohatra, ny fanaovana kopia noho ny fahalaviran’ny renivohitry ny kaominina Mahambo. Olana ny fahalavirana sy ny faharatsian-dalana. Be ny tsy manana kopia sy karapanondro.
“Tsy manana mpisolovava ny antoko Arema, tomponandraikitra tokony hiteny momba ny tetikasa Base Toliara”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Hajaina ny teny miakatra ifampierana sy teny midina ifampifehezana. Marina fa mitady asa ny olona any. Fa tsy tokony hanimba ny tontolo iainana, hanosihosy ny kolontsaina sy riba… Tsara ny fifampiresahana.