Faritra Analamanga : Nampiofana ireo ben’ny Tanàna miisa 140 ny MFFT

Tanterahina nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny anio, ny hetsika fampiofanana ben’ny Tanàna, ataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Miisa 140 ireo ben’ny Tanàna tonga niofana tamin’izany. Araka ny vaovao voaray, avy amin’ny distrika fito, amin’ny faritra Analamanga, izy ireo. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo ben’ny Tanàna vaovao. Ao ihany koa ny hanomezana fitaovana sy fahalalana ho an’ireo mpiofana, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny amin’ny maha tomponandraikitry ny fampandrosoana ifotony azy avy. Tsy izany ihany fa misy ihany koa ny zava-kendren’ity fampiofanana ity. Anisan’izany ny fampandehanana tsara sy haingana ny famindram-pahefana mba hisian’ny fitantanana mangarahara sy mahomby eny anivon’ny kaominina. Hanentana ireo mpitondra voafidy vaovao momba ny fanavaozana amin’ny sehatry ny fanapariaham-pahefana sy ny fampandrosoana ara-toekarena ifotony. Hijery ny fomba fiasan’ny kaominina sy ny andraikitra ananan’ny ben’ny Tanàna sy ireo mpanolo­tsaina, amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana nato­kana ho an’ireo mpitondra voafidy. Tsara marihina fa nanohana ny lafiny teknika sy ara-bola tamin’ity fiofanana ity ny Prodecid sy ny Pnud. Niara-nisalaha tamin’izany ihany koa ny DGSF, DGAT, DGDDL, INDDL, FDL. An­koatra ireo, nisy ihany koa ny fampandraisana anjara an’
ireo rafitra toy ny Bianco, CDBF, ary DGI, izay nanome fanazavana manokana mom­ba ny fitantanana mangarahara, ny fifehezana tetibola ary ny hetra eo anivon’ny kaominina.

F. R

Partager sur: