Ofisialy! Tsy ho anisan’ny atleta eo amin’ny taranja fibatana fonjamby intsony Andriantsitohaina Tojo, Malagasy mpibata fonjamby. Nambarany, omaly, fa hijanona izy ary hanome sehatra ireo taninketsan’ity taranja ity amin’izay. Fotoana izao, hoy i Tojo, hanomezana ny fanalahidy ho an’ireo zandry, mba hahafahan’izy ireo mamaritra ny hoaviny. “Maro ny zava-bita fa tena nahafaly ahy ny nitondrako avo ny voninahi-pirenena tao anatin’izay 15 taona nilomanosako tao anatin’ny taranja fibatana fonjamby izay”, hoy ny nambarany.
Tsiahivina, namiratra teo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena Andriantsitohaina Tojo. Medaly volamena 23 be izao no norombahiny tamin’ireo fifaninanana natrehiny. Efa nahazo “record” afrikanina izy, teo amin’ny Total Olympique (303 kg), teo amin’ny sokajy -67 kg. Ankoatra izay, “Records” 9 be izao koa no efa azon’i Tojo, tao anatin’izay fotoana izay. Ho an’ny eto Madagasikara, tompondaka nasionaly in-17 i Tojo.
Mirary soa ireo atleta zandry sy ny tontolon’ny fibatana fonjamby, ity Malagasy mpibata fonjamby kalaza sy nahavita be ity.
Mi.Raz