Filoha Rajoelina Andry : Nihaona tamin’ny sehatra tsy miankina tany Dubaï

Taorian’ny fanokafana ny fihaonambe “Madagascar Dubaï Business Forum”, izay atao any Dubaï, Emira Arabo Mitambatra, nihaona manokana tamin’ireo sehatra tsy miankina, tao amin’ny Dubaï Chambers ny filoha Rajoelina Andry. Naharitra adiny roa mahery izany ary nisy ny fifanakalozana, fifampihainoana, fifampiresahana malalaka teo amin’ny fanjakana malagasy sy ireo sehatra tsy miankina ireo. Miisa valo ny seha-pihariana voaresaka. Eo ny angovo, ny vola, ny fizahantany, ny indostria, ny teknolojia vaovao sy ny serasera ary ny fambolena. Anisan’ny nitondra vahaolana manoloana ireo fanamby atrehin’ny sehatra tsy miankina eto Madagasi­kara ihany koa izy nandritra izany. Voaresaka manokana ny lafiny famatsiana angovo sy famokarana azy. “Ain-dehiben’ny fandraharahana ny angovo, ho voavaha amin’ny ampahany betsaka ny olan’ny famatsiana angovo”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Ankoatra izay, nisaotra ireo sehatra tsy miankina ireo manokana koa izy. Anisan’ny tapaka nandritra izany ny hikarakarana ny “Madagascar Dubaï Business Forum”, manaraka.
“Fahombiazana tanteraka ny fihaonambe satria maro no efa nanokatra fifandraisana sahady amin’ireo mpampiasa vola emirati”, hoy ireo mpandraharaha. Nisaotra manokana ireo Malagasy mpandraharaha tonga nanatrika ny fihaonambe ihany koa ny Filoha, tamin’ny fahavononan’izy ireo hitondra ny anjara birikiny hampandroso an’i Madagasi­kara.
Anisan’ny nohenoin’ny filoha malagasy ihany koa ny hetaheta sy ny fanamby atrehin’ireo mpandraharaha eto an-toerana amin’ny seha-pihariana misy azy ireo.

Mino

Partager sur: