Fitantanana orinasa : Mahomby ny fananana toe-tsaina miabo

Fahombiazana. Maherin’ny 30 ireo mpitantana orinasa sy mpandraharaha nandray anjara tamin’ny «Fihaonan’ny mpitantana » andiany faharoa, ny 10 mey, teny amin’ ny Hôtel 5 étoiles Ivato, nokarakarain’ny agence Nexacom, tohanan’ny Yas Madagascar.

Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozana ny fomba fampiasana ny teknolojia eo amin’ny fandraharahana sy ny anjara andraikiny amin’ny fampandrosoana ny orinasa ary ny fifandraisana amin’ny ekipa mpiara-dia. « Ani­san’ny nandrasan’ny maro ny lohahevitra nitondrana ny hetsika sy ny fandraisan’anjaran’ireo matihanina ao anatin’ny tontolo », hoy ny tale jeneralin’ny Peak Business Partner, Randrianantenaina Hasina. Nisongadina manokana ny hevitra novoaboasan’i Dr Fabrice Lollia, mpikaroka eo anivon’ny « laboratoire Dicen-IDF. Ny an’ny Dr Lou Maurica « Chief Information & Teaching Officer », mpiara-mitantana ny Haute Ecole en informatique (HEI). Teo koa ny an’Andriamanohisoa Bryan ary ny filoha mpitarika fikambanan’ny tale misahana ny maha olona eny anivon’ny orinasa, Rajaonera Noro, mom­ba ny tombontsoa sy ny lafiratsin’ny niomerika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Ankehitriny, manomana sahady ny fihaonan’ireo mpitantana orinasa andiany fahatelo, atao ny volana oktobra, ireo mpikarakara. Horesahina manokana ny fampifandraisana ny teknika sy ny paikady ataon’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina ao anatin’ny fandraharahana. « Ilaina ny fananana toe-tsaina miabo, mifantoka sy mibanjina hatrany ny tanjona toy ireo mpanao fanatanjahantena matihanina izay mila apetraka ao anatin’ny fandraharahana », hoy hatrany ny Dr Lollia.

Henintsoa

Partager sur: