Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo

Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra.

Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany teo ho eo”, hoy maman’i Sahaza, tompon-tsena fivarotan-kazo. Niezaka nifehy ny firehetana izy ireo saingy nananosarotra izany. Nifindra tamin’ny trano nifanolo-bodirindrina ny afo avy eo. Nifanome tanana namono izany ny fokonolona teny an-toerana. Niatrana ny mpamonjy voina, saingy tsy nisy rano teny amin’ny fokontany nitrangan’ny haintrano. “Sahi­rana tamin’ny fikarohana rano namonoana ny afo ny fokonolona”, hoy ny fanazavan’ny niharam-boina. Narary vokatry ny fahatapahan’ny lalandra “AVC”, tsy afaka miarina teo am-pandriana intsony ny raim-pianakaviana 75 taona. Ni­haran’ny firehetana koa ny trano fonenany. “Mipetraka ao ambony rihana, may ka na­moy ny ainy izy. Azon’ny afo koa ny ramatoa vadiny ka voatery naiditra hopitaly”, hoy ny fanazavan’ny fianakaviany.

Tokantrano 12 kila
Lasa lavenona ny ankamaroan’ny entana noharian’ireo tompon’ny trano lasibatra.
Tokantrano 12 niharan’ny fahamazaina ka anisan’izany, ny tranon’ny sefo fokontany ao an-toerana. Nanao izay ho afany nifehezana ny afo ny sampana mpamonjy voina na dia teo aza ny fahasarotana. Fatiantoka tanteraka no nahazo ilay tompon-tsena lasibatra. Mitetina 76 tapitrisa eo ho eo ny tombam-bidin’ny entana rehetra may. “Nisy fitaovana nokasaina hanamboarana trano novidiana, hazo sy ny vola samy kila avokoa”, hoy ny fanamafisan’i maman’i Sahaza. Ankoatra io, trano iray hafa may teny Itaosy. Nisehoana haintrano koa, tao amin’ny fokontany Am­bo­himalaza Miray, kaominina Ambohimalaza, distrika Anta­na­narivo avaradrano, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Fifampikasohan’ny herinaratra ihany koa no niteraka ny voina.

Tsiferana R.

Partager sur: