Nanomboka omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball, sokajy zandriny U17 sy U19, ho an’ny faritra faha-7. Lalao roa ihany no tontosa raha efatra no voalahatra. Antony, tsy tonga tamin’ny ora farany i Tchad, izay tokony ho nifandona tamin’ny Akio de Madagascar teo amin’ny U17. Toy izany koa ny teo amin’ny U19 izay tokony ho nifanandrina tamin’i La Réunion. Tsiahivina fa firenena tsy ao anatin’ny faritra faha-7 i Tchad fa noho ny tsy fisian’ny fifaninanana any amin’ny faritra misy azy, nangataka ny hifaninana aty izy saingy izao tsy tonga izao.
Tanteraka tsara kosa ny lalaon’i Comores sy i Seychelles, ho an’ny cadette ka nomontsanin-dry zareo Kaomorianina, tamin’ny isa mavesatra 53 no ho 2 ry zareo Seiseloazy. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny i Comores, tamin’ity fihaonana ity. Nahazo fandresena ihany koa ny Akio, sokajy “junior”, raha nifanandrina tamin’i Seychelles. Resin’ny tovovavy malagasy tamin’ny isa, 70 no ho 3 izy ireo.
Hitohy anio ny fifanintsanana ho an’ireo sokajy roa ireo. Tsy misy afa-tsy firenena efatra izany sisa hiady ho lohany amin’ity dia i Madagasikara, Seychelles, Comores, ary i La Réunion, izay tsy manana afa-tsy ekipa tokana dia ny eo amin’ny U19 ihany.
Tompondaka