INDRAY MIJERY

Notanterahina ny fankatoavana ara-teknika mahakasika ny « Tetikady nasionaly momba ny fanabeazana mampiaty mikendry ny mahalahy sy ny mahavavy » (SNEIG). Aorian’ity fankatoavana ity, hisy ny fampahafantarana eo anivon’ireo minisitera voakasika mialoha ny hamoahana izany.
Nohamafisina ny fahaiza-manao sy ny traikefa izay efa ananan’ny mpiasan’ny fahasalamana mpisehatra eny ifotony mahakasika ireo fihetsika fototra entina hiatrehana ny hamehana tampoka hisorohana ny mety ho trangana fahafatesana. Nisy ny fampiharana narahina fanehoana izay nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy mivantana.
Nandritra ny fitsidihany tao Mandabe, faritra Menabe, nijery sy nanamarina mivantana ny vokatra azo avy amin’ny fiofanana nomen’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisitra. Nandritra ny fotoana, nasehon’ireo mpiofana ny fahaiza-manaony tamin’ny alalan’ny fijinjana mivantana ny vary vokarin’izy ireo, vokatry ny fiofanana ara-pambolena azony. Tonga nanotrona ny kolonely Faneva, mpanohana akaiky amin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny minisitera.
Nihaona ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny talen’ny AFD eto Madagasikara, i Nicolas Le Guen, ho tohin’ny tetikasa fametrahana oniversite iarahan’ny Frantsay sy ny Malagasy, araka ny nambara nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena frantsay teto amintsika farany teo. Hamolavola tondrozotra iraisana hametrahana ny lafiny teknika sy ara-bola hanatanterahana izany ny roa tonta.

Partager sur: