Kabary : 20 taona ny Fi.Mpi.Ma Antananarivo

« Iray volan’ny teny malagasy ». Ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Faritany Fikambanan’ny mpikabary malagasy eto Antananarivo. Hanatanteraka diabe hanodidina ny farihin’Anosy, ho fanokafana ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », ireo mpikambana, ny 7 jona ma­nom­boka amin’ny 9 ora maraina. Ny tolakandro kosa, hisy ny lanonana fianianan’ny filohan-tsampana sy fandraisana mpikambana Fi.Mpi.Ma. Arahina seho an-tsehatra ahitana an-dRy Rakazy Mihira sy ireo mpanan-talenta avy ao amin’ity fikambanana manana ny teny fanevany: « Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany » ity. Seho tanterahina ao amin’ ny Kianjan’ny Hiragasy, Ampefiloha.
Marihina fa anisan’ny faritany Fi.Mpi.Ma maro mpikambana indrindra ny eto Antananarivo. Tsy mijanona eo amin’ny fampivelarana ny kabary malagasy ihany izy ireo fa miezaka hatrany ny haneho fiaraha-mientana ho fampiainana indray ilay firaisankina nananan’ny Malagasy fahiny. Iray amin’ireo faritany Fi.Mpi.Ma mikolokolo fatratra ny talentan’ny ankizy sy ny tanora marobe liana amin’ny kabary malagasy sy ny toerana manan-tantara ihany koa izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: