Mila mihenjana

 

Aleo aloha mba hiresaka fanabeazana ny kilonga indray isika, anio. Niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mpianatra vao herotrerony manao firaisana ankalamanjana.
Nanaparitaka izany hatramin’ny kaomandin’ny zandary avy amin’ny vondrom-paritra Antananarivo. Na ny mpanao gazety naka ny sary aza mbola nidonaka, mialoha ny sintona lakolosy.
Miantefa amin’ny sokajin’olona maromaro ny hafatra, anio. Voalohany ho an’ny ray aman-dreny, mba haraho maso hatrany ny zanaka. Aza sodokan’ny fitadiavam-bola na jambenan’ny fahasahiranana. Aza atao ambanin-javatra ny fifampiresahana, rehefa tsy ho sahy hihenjana sy hanafay araka ny tokony ho izy. Tsy azo eken’ny saina ny zanaka indray no mandrahona.
Ny faharoa, isika eny anivon’ny sekoly, tokony hanova fomba fiasa. Zary fitadiavam-bola fotsiny ny an’ny sasany. Zara raha misy fanabeazana sy fampianarana mandeha amin’ny laoniny. Rehefa mandoa saram-pianarana hono tsy azo tenenina! Tena hoe mivaralila sy tsy manaraka ny fenitra amin’ny toerana namolavolana taranaka araka ny tokony ho izy izany.
Ny fahatelo, isika mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Tafahoatra loatra ny gaboraraka sy ny fomba fiasa mivaona amin’ny fampiharana lalàna. Tsy ampy ny famaizana fa zary manjaka ny kolikoly. Resabe fotsiny ny mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ireo zanaka. Tsy mahagaga raha manjaka ny tsy maty manota ka zary maodely ratsy ho an’ny taranaka ireo olobe.
Farany, ireo zanaka, izay tompon’ny tenany sy ny safidim-piainany. Tsy ampy ny maharaka ny fivoarana avy any ivelany. Tsy afaka ireharehana fa tsy tara amin’ny teknolojia moderina. Tokony mba handefa saina lalina sy hahay hitsinjo ny hoavy. Na inona fihetsika sy toetran’ny ray aman-dreny. Na inona tsy firaharahiana avy amin’ny mpanabe, tokony tsy hiala lavitra.

r.r

Partager sur: