Rabary Paul : “Hita eo amin’ny sehatra politika ny fampiasana herisetra”

“Amin’ny ankapobeny, zatra mampiasa herisetra hahazoana mamaha olana… Na eo amin’ny fitaizana ankizy mbola kely izany, na eo amin’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, na eo amin’ny di­sadisa eo amin’ny fiarahamonina… “. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloana ny firongatry ny fanaovana herisetra etsy sy eroa eny anivon’ny firahamonina, amin’izao fotoana izao. Miainga hatrany ny tanana sy ny herisetra amin’izany. Hita eo amin’ny sehatra politika koa izay fampiasana herisetra izay eo amin’ny tantaram-pirenena, araka ny nambarany. Tsy vao izao izay fampiasana herisetra izay fa efa hatra­min’izay. Ny momba ny asan-dahalo, ohatra, nambarany fa ao anatin’ny kolontsaina ma­lagasy ny hoe halatra omby. Amin’izao fotoana izao izany no lasa mivadika zavatra hafa.
Misy ambadika sy lafika milevina amin’ny kolontsaina malagasy ny amin’ny herisetra. Tsy voavaha izao izany, tsy ho voavaha rahampitso. “Tsy vao izao izany, fa eo isika miezaka manitsy an’izany raha ilaina”, hoy ity minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha ity. Tsiny ary tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny ny fampiasana herisetra. Satria misy fomba hafa hahazoana mandamin-javatra. Ny fifampiresahana izany.

R. Nd.

Partager sur: