Tamin’ity herinandro ity ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanapariahana ny torolalana ho an’ny fampiharana ny sekoly sakaizan’ny rano, fanadiovana sy fidiovana na “École amie de Wash”.
Natao teny amin’ ny EPP Ambohibao Antehiroka, Cisco Ambohidratrimo, izany, satria anisan’ny sekoly telo eto Madagasikara misalotra ny anarana na manana ny “labéllisation” “école amie de Wash” ny eny an-toerana.
Tamin’izany koa no nizarana ny boky natokana ho an’ny mpampianatra. Mikendry ny hanamora sy hanamafy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sekoly amin’ny rano fisotro madio, fanadiovana sy fidiovana ny toromarika. Singa fototra ho an’ny fahasalaman’ny mpianatra rahateo izany ka hanentanana ireo sekoly rehetra ary hipaka tsara amin’ny ampianatra.
Ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampianarana tsy maintsy lalovana (DEO/Men) no miandraikitra izany.
Ny eto Madagasikara, mbola betsaka ny sekoly tsy misitraka rano madio fa mampiasa vovo. Misy paompin’ny Jirama saingy tsy misy rano …
Tatiana A