SOMBIM-BAOVAO

Fantatra ny fandaharan-dalao, ho an’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Mongolie, ny volana jona izao. I Italie no hihaona voalohany amin’ny sokajy vehivavy, ny 23 jona. I Belgique kosa no hifandona voalohany amin’ny lehilahy.

Hatao ny 4 jona, eny amin’ny biraon’ny ligin’Ana­la­manga Ampefiloha, ny fivoriana ara-teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, sokajy U20 sy Vétérans. Tsiahivina fa hanomboka ny 5 jona izao ny fifaninanana.

Vonona ny hanala vela manoloana ny Cosfa, ny Disciples, amin’ity ampahefa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara « World Cola PFL » ity. Ho fantatra ny sabotsy ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny valin’izany. Tsiahivina fa lavon’ny Cosfa, 2 no ho 0, ny Disciples, nandritra ny fihaonana mandroso.

Araka ny nambaran’i Cristiano Ronaldo, mpilalao portigey, tao anaty tambajotran-tserasera, “Instagram”, omaly, mety hifarana hatreo ny vanim-potoana hilalaovany ao amin’ny Al Nassr. Raha ny siosion-dresaka mandeha, mety hisy klioba mifanintsana amin’ny « Coupe du monde des Clubs » haka azy amin’ ny volana jona ho avy io.

Partager sur: