Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana

Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP).
Singanina amin’izany ireo asa vatsian’ny Tahirimbolan’ny lalana na Fonds routiers (FR). Toy ny Lalam-pirenena RN5 (PK 55) ao Foulpointe hatrany Namahoaka (PK 70). Notsirihina ny toetry ny lalana, ny fandravonana, ny fitotoana, sns. Ho an’ny lalam-pirenena RN2, narahi-maso ny fandravonana ny tany sy ny fandrarahana ny sosona godirao voalohany eo amin’ny PK 308+370 hatrany amin’ny PK 310+720. Notsirihina koa ny firosoan’ny asa vita amin’ny lalana natao « béton » eny amin’ny faritra Darafify hatreny Ambalamanasy, ao an-tampon-tanànan’i Toamasina.
Fomba fiasa fanao mahazatra ny LNTP sy ny MTP ireo notanisaina ireo, fa tanjona ny hisian’ny lalana tsara azo ampiasaina mandritra ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe ho avy izao.

Njaka A.

Partager sur: