TARATRY ny KANTO

Volana jona, « Volan’ny ankizy ». Na ankalazaina isan-taona aza io volana io, maro ny fitakiana ataon’ny ankizy malagasy manana endrika fampirisihana avy any ivelany. « Omeo anay ny zoanay », « aza kapohina intsony izahay »… Raha ny fifamatorana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny fanabeazan’ny Malagasy ny zanany, tsy tokony hipoitra akory ireo… Satria, efa tany ambadik’Imanareza no nanaja ny zon’ny taranany ny Malagasy.

Hizara ny kantony etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka i Tahina Carine, rahampitso hariva manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Efa nahavita rakikira iray, maneho ny fironany amin’ny mozika ity tovovavy ity. Mozika miaina, mampiaraka ny fototra malagasy sy ny mozika maoderina izany. Arahin’ireo mpitendrin-dRajery hatrany izy mandritra ireo seho hataony.

Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 aogo­sitra izao ny “Festival Rebeke” andiany fahasivy, fanao any Tsihombe. Vaovao lehibe navoakan’i Tsimihole, omaly, io. Sarotra kokoa ny manatanteraka hetsika ara-kolontsaina any Androy, kanefa maneho ny fahavononany hitohizan’izany ireo mpikarakara sady mpanakanto. Homen-danja mandritra ireo ny beko antandroy sy ny mozika rehetra mifanakaiky aminy.

Partager sur: