Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa fa efa nisy naka io kodiaran-droa io, 20 minitra taorian’izay, fotoana niverenany.
Tonga nanao fitarainana avy hatrany tany anivon’ny biraon’ny zandarimaria brigade Talata Volonondry ny tompony taorian’izay. Tsy niandry ela fa nidina nanao ny fikarohana izy ireo. Natao ny fikarohana, hita tany anaty kirihitr’ala, 200 metatra miala ny toerana nametrahana azy, ilay moto.
Raha ny fantatra, tsy nety velona ilay moto fa natosika sy nafenina mandra-piandry ny fotoana hakana azy. Mbola eo am-pikarohana ilay olon-dratsy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Entanina hatrany ny olona tsirairay mba ho mailo sy hitandrina hatrany amin’ny fametrahana ireny fitaovam-pitaterana ireny, mba hisorohana ny asa fangalarana ataon’ny olon-dratsy.
Mino