Loharanon-karena fanoitry ny fampandrosoana ny firenena ny toekarena manga. Ilaina ny hisarihana ireo mpampiasa vola hanohana antsika hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny jono. Dinihina mandritra ny fikaonandoha atao eto Madagasikara ny paikady hanatanterahina ireo vina apetraka.
Vonona hampiroborobo ny toekarena manga i Madagasikara ho fanoitry ny fampandrosoana ny firenena. Ilaina ny fikarohana ny famatsiam-bola hanatanterahana izany, antony hanaovana ny fikaonandoha hanetsehana ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eny amin’ny Carlton Anosy, mandritra ny roa andro. « Ho dinihina ny fanambarana ireo soa fanararaotra ahafahan’ireo mpampiasa vola hampiasa ny volany eo amin’ny sehatry ny toekarena manga », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny fanokafana ny atrikasa, omaly. Hivoitra ao anatin’izany ny fomba hanatsarana ny fahazoana mampiasa vola eto amintsika sy ny tondrozotra ahafahana mametraka tontolo iainana mirindra hisarihana ireo mpampiasa vola ho tonga eto Madagasikara.
Toekarena
Mamelona fianakaviana maro sy miteraka asa ny tontolon’ny jono. Mpiara-miombon’antoka amintsika ny Vondrona eoropeanina (UE) amin’alalan’ny fifanarahana natao izay nahazoana ny fahazoan-dalana hanjono miisa 32.
Ankoatra izay, manana fitaovana ahafahana mampiroborobo ny toekarena manga sy ny paikady hisarihana ireo mpampiasa vola i Madagasikara. Hojerena, araka izany, ny hamadihana ireo loharanon-karena ho lasa loharanom-bola. Fanamby ihany koa ny hampihena ny tahan’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Manolo-tanana antsika ao anatin’izany ny UE, ny COI, ny tetikasa Ecofish, FAO, OIT sns.
Henintsoa