TSELATRA

Tsy fanarahan-dalàna. Moto enina miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny Ambohijatovo, naiditry ny polisy am-balam-pamonjana, omaly. Tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana tahaky ny nataon’ireo mitondra moto enina tratra ireo matetika no mitarika ny loza an-dalambe.
Tafaverin’ny mpitandro filaminana tamin’ny tompony ireo omby fito lasan’ny jiolahy tany Maevatanàna. Nangalarin’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, Maevatanàna ireo omby ireo, afakomaly alina. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny polisy sy ny fokonolona. Vokany, vaky nandositra ireo dahalo ary navelany teo amoron’ny reniranon’i Betsiboka ireo omby.
Tsy nahatsiaro tena 40 minitra ny vehivavy bevohoka norasaim-badiny antsy, tany Vohipeno, ny alahady 25 mey teo. Nokendaina nokasaina ho taperina mihitsy ny ain’io vehivavy mitondra vohoka 7 volana io. Manaraka fitsaboana izy amin’izao fotoana.

Partager sur: