VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny rehetra.
Atao anio 28 sy rahampitso 29 mey ny Foaran’ny karazan-javamananaina. Etsy amin’ny tokotany malalaka, Esplanade Kianja Barea Mahamasina, no hanatanterahana azy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina koa ny fotoana, izay natokana isaky ny andron’ny 22 mey. Lohahevitra noraisina ny hoe « Ny zavaboahary tsara indrindra no fototry ny fandrosoana lovain-jafy ».
Azon’ny rehetra atonina ny biraon’ny ladoany, manerana ny Nosy. Tanjona ny hametrahana ny vinan’ny Fadintseranana ho Sampandraharaha mivoy ny fanavaozana sy ny fangaraharana mitondra fampandrosoana. Ahitana azy ny eny Antaninarenina, Antanimena, Ivato, Mamory Ivato. Miampy ny ao Antsirabe, Toamasina, Antalaha, Vohémar, An­tsiranana, Nosy Be, Toliara, Taolagnaro, Morondava, Manakara, Fianarantsoa, Mananjary, Mahajanga, Sainte-Marie ary Maroantsetra.

Partager sur: