Andro fiakarana sy fialantsasatra: Maro ireo olona nisafidy ny hitady vola noho ny fahasahiranana

Mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny olona eto an-dRenivohitra. Andro tsy fiasana ny omaly saingy betsaka ireo mitady vola sy nisafidy ny hivarotra ihany. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly.

Tsy dia nahitana fiovana loatra ny fiainana teny Analakely, omaly, na dia natokana ho andro tsy fiasana sy andro fiakarana aza. Maro ireo mpivarotra tazana miasa eny an-toerana. Nilaza ry zareo fa tsy misy ny andro fitsaharana amin’ny fitadiavam-bola satria sarotra ny fiainana ary ny sakafo rahampitso tsy maintsy tadiavina androany.
Samy manana ny fanehoan-keviny moa izy efatra mirahalahy sendranay teny an-toerana ireto saingy mitovy ny fijeriny.
Rakotobe Manuel Franck

Noho ny fitadiavana, voatery tsy nandeha tany am-piangonana Rakotobe Manuel Franck, mpivarotra bakiraro, na dia tiany aza ny hiala sasatra, tsy maintsy ataony ny hahitana vola mba hivelomana.
« Androany ny andro fiakarana, nefa ny fitadiavana tsy maintsy atao, ny vola azo ihany no ahafahana misakafo sy entina miatrika ny tontolo andro androany. Andro fanararaotana ihany koa izao mba hahafahana misintona ireo mpanjifa. Misy amin’izy ireny manko rehefa tsy miasa tahaka izao, misafidy ny handeha hiantsena. Zava-dehibe amiko ny andro fiakarana, tokony ho any am-piangonana aho saingy noho ny tsy fisiana, tsy maintsy mitady vola», hoy izy.

Rakotomalala Tojonirina

Nitovitovy tahaka izay ihany koa ny an-dRakoto­malala Tojonirina, izay mivarotra Casquette sy bakiraro eny amin’ity tsena an-dRenivohitra ity. Manam-paniriana ny hahita asa maharitra ny tenany, mba hisorohana ny olana matetika mitranga eny an-toerana.
“Ny antsika ny fitadiavana efa fahazarana. Ny ohanina androany tsy maintsy tadiavina androany. Tsy misy mihitsy ny fialantsasatra fa indraindray ihany aho no mba maka aina. Efa manambady aho, ary tsy maintsy atao ny mamelona azy ireo. Manana faniriana ny hahita asa maharitra aho, satria matetika ahitana olana foana ny resaka tsena ety an-toerana”.


Rakotozafy Tolojanahary Antoine Marie

Ny fitsinjovana ny taranaka aoriana kosa no tena hilofosan-dRakotozafy Tolo­jana­hary Antoine Marie na i Tolotra, amin’ny asany ary ny handehanany hivoaka isan’andro tahaka izao, saingy miala sasatra ihany izy ny alahady. Tsy maintsy miasa moa ny tenany satria mbola manana adidy amin’ny fianakaviany. Tsara ny mampahafantatra fa mpivarotra kafe no asany eny an-toerana.
“ Tsy maintsy miasa aho satria ny vola ilaina. Tsy afaka ny hijanona ao an-trano, mila mamelona ireo vady aman-janako aho, ny fiainanana eto Madagasikara koa efa hita fa somary sarotra. Inenina ao anaty ny fito andro aho no miasa, izany hoe, mitady vola foana aho, hatreo amin’ny sabotsy, misafidy ny haka aina kosa aho ny alahady. Ny hitsinjovana ny taranaka any aoriana no hanaovako izao ezaka izao.”

Lova, mpivarotra kiraro

“ Efa manana vady aman-janaka aho ary adidiko ny mamelona azy ireo. Ny andro tahaka izao ihany koa, tsy maintsy araraotina satria maro ireo mpiasa sy mpanjifa eto amiko no mividy kiraro rehefa andro tsy fiasana. Sarotra dia sarotra ny fiainana ankehitriny ka tsy maintsy hatao izay hahasoa anao sy ny ankohonanao”, hoy hatrany ity mpivarotra kiraro ity.

Tsara ny mampahatsiahy fa ny andro omaly dia natokana ho tsy fiasana nefa andraisana karama. Mbola sarotra izany ho an’ireo mamelon-tena araka ny famakafakana azo taorian’ ity fanadihadiana nateo teny Analakely ity.

Nanatontosa: Fitia Randria

Partager sur: