Natao tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanaovan-tsonia fampitaovana ny Lycée teknika telo eto Madagasikara. Avy amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney Jica izy ity ary hatolotra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa
Fampitaovana ho an’ny Lycée teknika telo: Toamasina, Alarobia ary Ampasampito ireo fitaovana raitra ireo hanofanana ny mpianatra sy ny tanora amin’ny sehatry ny fitrandrahana. “Manana harena maro i Madagasikara ary ny japoney miasa amin’ny fitrandrahana eto amintsika, anisan’izany ny any Ambatovy, mitrandraka nickel sy cobalt”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Misy fahaizana takina vao afaka raisina hiasa ao amin’ny orinasa fitrandrahana ka izay no anton’ny fampitaovana hampiakarana lenta ny fampiofanana amin’ireo Lycée teknika telo ireo. Ady amin’ny tsy fananana asa ho an’ny mpianatra mahazo diplaoma sy hampiakarana ny tahan’ny tanora mirotsaka amin’ny sehatry ny asa avy hatrany no atao. Efa manana lalam-piofanana mifandraika amin’izany isika amin’ny Lycée telo fa hatsaraina ary ampiana hahazoana ilay lenta tadiaviana ho an’ny fitrandrahana ka ho azo raisina hiasa avy hatrany aorian’ny fianarana.
« Fampitaovana ho an’ny Ouvrage métallique, Fabrication mécanique, Electronique sy ny Métaux en feuilles no hatolotra », hoy ny chargé d’Affaires ao amin’ny masoivoho japoney. Yamada Shigechika. Mitentina 531 tapitrisa Yen ny vidin’ny fitaovana, hitondrana zavatra goavana ho an’ny tanora mpianatra sy ireo tanora any ivelan’ny Lycée koa izay mila mahalala ny fitaovana sy fari-pahaziana ilaina amin’ny fitrandrahana. Satria, manana harena betsaka isika izay azo trandrahina miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka. Rehefa mizotra ny fampiofanana, ho modely ho an’ny fitrandrahana, ho an’i Madagasikara, ny fiofanana atolotra. Ny fanjakana malagasy no handray ny famoahana ny entana rehefa tonga eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tsy ho ela. Ho avy koa ny « expert » japoney hampiofana momba ny fampiasana sy ny fitantanana ireo fitaovana hatolotra ny Lycée teknika.
Vonjy