Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, niala an-daharana tamin’ilay fifaninanana afrikaninana aty atsimon’i Afrika, “Cosafa”, izay hatao any Afrika Atsimo, i Maroc. Nosoloin’i Tanzania ny toeran’izy ireo, ka ny ekipa nasionaly tanzanianina indray izany no hifandona amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “C”, misy ny Barea, ankoatra an’i Tanzania, hifandona amin’izy ireo ihany koa i Eswatini.
Raha ny fikarohana natao, tsy mbola niatrika ny fifaninanana Chan mihitsy i Tanzania, raha tsy amin’ity taona ity. Tsara ny mampahafantatra fa mpifanandrina iray amin’ny Barea, anatin’ny vondrona “B”, mandritra ny “Chan 2024”, izay hatao ny volana aogositra ho avy io ny ekipam-pirenen’i Tanzania.
Azo lazaina, araka izany, fa efa lalao mialoha ny Chan, ny amin’ny 7 jona ho avy izao. Ny mpilalaon’i Eswatini, efa nifandona tamin’ny Barea, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2024”. Tsy tafita hiatrika izany fifaninanana afrikanina izany moa izy ireo fa nahintsan’ny Malagasy.
Ankoatra izay, andrasana ihany koa ny famoahana ny lisitra hiatrika ny Cosafa, ho an’ny mpanazatra ny Barea A’, Rakotondrabe Romuald Felix. Raha ny filazany, havoaka ny alatsinainy ho avy izao izany, raha tsy misy ny fiovana farany.
Fitia Randria