Miverina ny fananganana ny fasan’ireo tompon-tany any amin’ny fokontany Tsiafanoka sy Beravy Antsoity, kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Niato mantsy ny asa satria nihantona ny tetikasa Base Toliara nandritra ny 5 taona, saingy efa miverina amin’ny laoniny izany, ankehitriny. Mihazakazaka ny asa. Nofanin’ny tetikasa Base amin’ny fananganana rafi-trano sy ny fandokoana ny fianakavian’ny tompom-pasana, sady novatsiana fitaovana sy kojakoja fanorenana. Efa vita ny fomban-drazana tany Beravy Antsoity, izay tsy maintsy atao nialoha ny fihadiana ny fototra, ka hanomboka ny fananganana ny rindrina.
Nampahatsihivin-dRabesoa Jean Victor, anisan’ny tompom-pasana, fa « nisy fotoana notana fady sady novakina ny fasanay nangalarana ny taolam-paty. Ankehitriny, nafindra toerana ny fasana, mafy sady manara-penitra. Ampy ny fitaovana sady mahazo karama ny mpandrafi-trano nofanin’ny Base. Miisa 7 ny fasana aorina eto Beravy Antsoity, ary maherin’ny 1 volana ny fananganana ny fasana iray ».
Tafapetraka koa ny fitaovana any Tsiafanoka, nodiovina ny toerana hananganana ny fasana vaovao. « Faly aho fa hitohy ny asa, niato hatry ny ela », hoy i Mbohoavy, anisan’ny tompom-pasana. Ho an’i Mahereza Férlin, anisan’ireo mpandrafi-trano nahazo fiofanana, « isaorako ny filoham-pirenena nanome tetikasa goavana aty Toliara, satria tsy an’asa ny ankamaroan’ny mponina aty Tsianisiha. Avo lenta sady tena feno ny fiofanana nomena anay».
Njaka A.