Fanabeazana maha olona: Misy fiantraikany amin’ny toe-tsaina ny mozika henoina

Fialamboly, manala sorisory, mandrotsirotsy… Samy tranga sy zava-misy ateraky ny fandrenesana mozika avokoa ireo. Mazana, hatreo ihany ny fandraisan’ny olona ny fiainana miaraka amin’ny mozika. Tsy ampy anefa izany…

Na tsy mba nilona tao anatin’ny siansa naharitra aza ny Malagasy, manana fahalalana mampiaiky volana izao tontolo izao izy amin’ny maha tany tatsinanana azy. Tsy najanony hatreo amin’ny fialamboly ihany ny nampiasany ny mozika (feon-javamaneno, hira, tononkira) fa nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana mihitsy.
Feo malagasy, tononkira amin’ny teny malagasy, zavamaneno vita malagasy, sns. Nifarimbona nanefy ny toe-tsain’ny Malagasy izay maheno azy ny mozika tahaka izany. Vokany, Malagasy mijanona ho Malagasy. Malagasy mahafantatra ny tenany sy ny tantarany ary ny fombany. Malagasy saro-piaro amin’ny azy… Malagasy nahatsapa avy hatrany fa sahaza azy ny zavakantony sy ny kolontsainy. Malagasy tsy nindrana na nitalaho na nisoloky ny zavakanton’ny sasany. Ireo rehetra ireo, samy toe-tsaina nateraky ny mozika (feon-kira, hira, tononkira) nohenoiny avokoa. Ankoatra ireo, nitaiza ny sain’ ny Malagasy hahay handinika sy hamakafaka zavatra lalina ny mozika nohenoin’ny sofiny. Efa voaporofo ara-tsiansa indray izy io. « Ny zavamaneno misy tadiny ka tendrena hanome feo malefaka, mitondra faharanitan-tsaina haingana », hoy ny manampahaizana manokana momba ny mozika sy ny fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Tafiditra tao anatin’io ny valiha.

Mihevi-tena tsy ho Malagasy intsony…

Karazana mozika maro no tonga teto Madagasikara. Ny ankamaroany, saika noraisin’ny Malagasy ho toy ny azy. Nidedahany tetsy, nisehosehoany teroa. Nivolon-ko tompony na niseho ho nahay noho ny tompony mihitsy aza. Niova nanaraka izay ilay toe-tsaina sy fomba fisainana satria nihevi-tena ho Ameri­kanina na Frantsay na An­glisy, sns, ny Malagasy. Very sy tsy fantatra intsony
Nariana ny maha mpitaiza ny mozika (tononkira, hira, dihy) malagasy fa nosoloina haitraitra sy fialamboly. Tsy heno intsony ilay tononkira mavesa-danja sy manitsy ny dia hizotra amin’ny lalana marina hatrany. Tsy hita intsony ilay fandihy manetsika ny loha sy ny tanana fa nitobaka kosa ireo karazan-dihy mamoafady sy tsy mifanaraka velively amin’ny toe-tsaina sy soatoavina malagasy (fananana olom-pady…).
… Ankehitriny, maro ireo miezaka mamoha indray ny mozika malagasy, saingy tsy vitsy ihany koa ireo mivoy mafy ny mozika « tsy an’ny Malagasy ». Vokatr’izay, misy fifandonana anaty eo amin’ny Malagasy tsirairay. Sahirana ny sain’ny tanora. Hitia ny an’ny tena ka haneho izany eo imason’ny sasany, menatra! Hidedaka amin’ny an’ny hafa anefa, toa mahatsiaro tena fa tsy tompony.
Porofo mivaingana sy azo tsapain-tanana io fa misy fiantraikany eo amin’ny toe-tsaina ny mozika henoin’ny sofina. Manjary manana toe-tsaina manidintsidina ny Malagasy rehefa tsy nahay nitazona ny mozika fihainony.


Mila fanarenana haingana

Iza no manao inona? Hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ireo fepetra arahin’ny tomponandraikitra rehetra (ray aman-dreny niteraka, mpitondra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, raiamandreny isan-tsokajiny…), ho fiarovana ny taranaka malagasy mba tsy ho simban’ny kolontsaina sy zavakanto avy any ivelany.
Ankoatra ny fibosesiky ny avy any ivelany, mila « manamasina » ny azy ny tsirairay isan’ankohonana, isam-pianakaviana, isam-bohitra na faritra, sns. Io matetika no hadino raha eo amin’ny tontolon’ny mozika (feon-javamaneno, hira, dihy, tononkira…) eto Madagasikara. Hadinon’ny eto afovoan-tany, ohatra, fa misy ny kalo, ny latsitanana, ny varibotry, sns. Ireo heverina ho mpanabe no mitaiza ny taranaka amin’ny mozika sahaza azy. Izany hoe, manaja ny soatoaviny, mitondra fivoarana sy lentam-panahy tsara ho azy, mitarika azy ho any amin’ny fahaiza-miaina anaty fiarahamonina…
Matetika, manara-drenirano ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Mihaino sy tia ny hiran’ny tarika izatsy na ny sanganasan’ny mpihira izaroa ny namany, roboka ihany koa izy. Io tranga io no mila sorohana haingana, satria, tsy mitovy ny rano nandroana. Na samy Malagasy aza, mety misy mahasamihafa azy ihany ny soatoavina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao. Izay rahateo ilay « harena ny fahasamihafana ».
… Raha tsy voafehy sy tsy mifanaraka amin’ny olona iray sy ny momba azy ny mozika henoiny. Miteraka fahasimbana ho azy izany. Misy fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo. Raha sahaza sy mifanentana aminy (fo, saina, vatana, fanahy, soatoavina, …), kosa, hitondra fahombiazana lehibe. Tsy atoraka irery any amin’ny ankizy sy ny tanora ny fifantenana ny mozika tokony ho henoiny fa mila ny ray aman-dreny hanoro sy hitari-dalana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: