“Tsy mety ho tanteraka ny hahalafo ny omby, raha tsy vita taratasy. Iza àry no manao ny taratasy? Izay ilay zavatra odian-tsy hita. Nefa izay no tena jerenay voalohany”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbielson William, manoloana ny fandanian’ny Antenimierampirenena ny tolo-dalàna momba ny halatra omby. Ahoana ny rafitra hanafoanana ny fanadiovana ny omby halatra, izay misy tambajotra mpanao azy? Izay no endrika kolikoly amin’ny fanadiovana omby halatra na any anivon’ny mpitandro filaminana na any amin’ny delegem-panjakana na eny anivon’ny fitsarana… Toa mamparisarisa sy mampalaindaina ny ady amin’izany. Nefa izay ny fototra raha te hamongotra ny halatra omby. Izay no hananganana rafitra: ahoana no hisakanana azy mba tsy hahazoana mandio omby halatra? Satria tsy lafo ny omby raha tsy vita taratasy. Koa rehefa foana izay rafitra fanadiovana omby halatra izay, tsy hisy hangalatra intsony ny omby: tsy ho lafo rehefa amidy. Raha mbola misy fanadiovana omby halatra, misy hatrany mpangalatra omby.
“Anaovanay antso avo ny tomponandraiki-panjakana izay hoe: hanomboka rahoviana isika vao ho sahy hametraka rafitra hisakanana sy hamongorana izany fanadiovana omby halatra izany?”, hoy izy. Tsy ho lafo ny omby raha tsy vita taratasy. Rehefa fantatry ny mpangalatra fa tsy azo atao intsony ny hanaovana taratasy fanadiovana omby halatra, tsy misy hangalatra ny omby. Tsotra, tsy ilàna basy sy helikoptera ary mpiray dina izany.
R. Nd.