FANTINA sy FINTINA

Nihaino ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna avy any amin’ny faritra Itasy ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Ravalomanana Richard, afakomaly. Voa­resaka ny fampandrosoana ny faritra sy ny kaominina ary koa ny fitarainan’izy ireo. Nampanantena ny hampita izany amin’ny fahefana mpanatanteraka ny Jly Ravalomanana.

Efa miroso ny asa amin’ny tetikasa Lac Iarivo, araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, ampitain-davitra, natao afakomaly amin’ny tsy maha eto an-toerana ny filoha Rajoelina Andry. Efa hatsangana ny toby famokarana herinaratra sy ny toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka eny amin’iny faritra iny.

Hentitra ny RMDM, manoloana ny raharaham-pirenena. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsa­rahame Edouard, fa mijaly rano sy jiro ny eto Anta­nanarivo. Midradradra anefa ny mpitondra fa Mada­gasikara tsy maintsy mandroso. “Manjaka ireo tsy fanarahan-dalàna.
Mijoroa ianareo mpitsara, ny Bianco, ny mpitandro filaminana ho tonga saina”, hoy izy.

Partager sur: