Tsy hitovy amin’ny mahazatra isan-taona fa hiavaka tanteraka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena 2025. Maro ny hetsika iarahan’ny governemanta manantateraka manerana ny Nosy.
“Ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena dia hatao eny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, amin’ny 2 jona ho avy izao”. Io ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny Foloalindahy, teny Betongolo, afakomaly, momba ny fankalazana ny 26 jona. Hiavaka ny hetsika. Hisy ny fananganan-tsaina. Eo ny karnavaly ahitana ny andrimpanjakana sy ny minisitera rehetra hanao ny fihetsika eto Madagasikara. Eo koa ny tantara an-tsehatra sy tantara an-tsary. Halefa amin’ny TVM amin’ny 4 jona ny horontsary momba ny fiarovana sy ny filaminana. Hisy ny tantaran’ny fiarovana sy ny filaminana. Toy izany ny hetsika ara-panatanjahantena amin’ny alalan’ny diabe Ambohijatovo mankeny amin’ny Kianja Barea, Mahamasina, ny lalao ara-panatanjahantena… Ny fanabeazana olom-pirenena ny amin’izay tsara ho fantatra momba ny sainam-pirenena, ny fanompom-pivavahana iraisam-pinoana…
Nohamafisin’ny filohan’ny kaomitim-pirenen’ny fankalazana ny 26 jona, ny jeneraly Rakotondrabary Eric, fa vaomiera 13 no mandrindra ny hetsika manerana an’i Madagasikara. Eo ny eny anivon’ny distrika sy ny prefektiora, indrindra ny faritra Analamanga, izay ivon’ny hetsika: ny matso lehibe eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina. Mampiavaka izany ny fanamiana vaovao natolotry ny filohan’ny Repoblika ho an’ny Foloalindahy. Eo ny kermesy lehibe eny amin’ny Kianja Barea; ny fampirantiana ny tantaran’ny Fololindahy; ny “podium” ny 19-24 jona; ny fanapoahana afomanga eny amin’ny Lac Iarivo, Ivato…
R. Nd.