Fifaninanana ara-pikarohana – « MT 180 » : Nisongadina ny zava-bitan-dRazafindramaso Nasolo

Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny famaranana ny hetsika fanaovana ny tati-pikarohana ao anaty 3 minitra « Ma thèse en 180 segondes (MT 180)», andiany fahafito. Nahazo ny laharana voalohany, tamin’izany, Razafindramaso Na­solo, vehivavy mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite An­ta­nanarivo. Novelabelariny nandritra ny fe-potoana voafetra ny resaka « Agro industrie alimentaire, passage obligé pour le développement lo­cal. ». Nahatratra 19 ireo mpifaninana tamin’ity. Notson­gaina manokana tany amin’ireo oniversite manerana an’i Mada­gasikara avy izy ireo. Anisan’ izany ny Oniversite An­ta­nanarivo, Mahajanga, Fia­narantsoa, Antsiranana, To­liara, Toamasina ary ny Ins­cae. Tanjon’ny hetsika ny hahaizan’ireo mpikaroka ma­nentana sy mampivelatra ary mampiseho ny voka-pikarohana nataony, amin’ireo olona rehetra. Tsiahivina fa ireo mpifaninanana ireo, mihazona sy eo ampamitana ny boky mba hahazoana ny diplaoma ambony Doctorat. Niakatra ny lentan’ny mpandray anjara tamin’ity, hoy ny mpikarakara. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena izay hatao any Bucarest Romania, ny volana oktobra ho avy izao, ny laharana voalohany amin’ity hetsika ity. Notolorana lelavola 4 tapitrisa Ariary ny laharana voalohany ary 2 tapitrisa Ariary ny faharoa, 1 tapitrisa Ariary ny fahatelo ary nahazo lelavola 1 tapitrisa Ariary kosa ny mpanao fikarohana nahababo ny fon’ny mpijery indrindra. Niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) nisalahy tamin’ny fikambanana AUF ity hetsika natao ity.

F. R

Partager sur: