Handray anjara amin’ny hetsika «Global AI Talent Empowerment (Gaite) 2025”, karakarain’ny International Olympiad in Artificial Intelligence IOAI, i Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny Stem for Good. Tovovavy efatra dia i Fitizo, Manasoa, Mendrika ary Ainafi no hisolo tena antsika miaraka amin’ny mpitarika Rakotoson Cynthia izay manana traikefa amin’ny tantsoroka ho an’ny tanora. Nahafahana nisafidy ny ekipa malagasy ny fandraisana anjaran’ny Stem for Good mivoy ny fahazoan’ny rehetra miditra amin’ny lalam-piofanana siantifika sy niomerika. Omena vahana manokana ny fampiroboroboana ny faharanitan-tsaina artifisialy. Sehatra iray ahafahan’ny firenena vao misandratra hanatsara ny fifehezany ny IA ny fandaharanasa IOAI Gaite. Hanampy ny firenena mpandray anjara ihany koa hiomana amin’ny Olympiades iraisam-pirenena ny hetsika amin’ity taona ity. Hatao any Chine, ny 2 ka hatramin’ny 9 aogositra ho avy izao, ny Olympiades internationals de IA.
Vonjy