Handball – “IHF Trophy” : Tafita hiatrika ny famaranana ny Akio de Madagascar

Samy hiady ny medaly volamena avokoa ny Akio de Madagascar, sokajy U17 sy U19 zazavavy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka “IHF Trophy”, taranja handball, faritra faha-7. Fandresena hatrany no azon’ireo ekipa malagasy roa ireo, tamin’ny fifanintsanana.

Famaranana roa no ha­taon’ny Akio de Mada­gascar, taranja handball sokajy zandriny U17 sy U19, zazavavy. Fihaonana hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja mitafo Anko­rondrano. Hiadiana ny amboaran’ny IHF Trophy, ho an’ny faritra faha-7. Nahazo fandresena hatrany mantsy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana ka nahazoan’izy ireo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena. Hifandona amin’i La Réunion ny Akio, ho an’ny sokajy U19, ary amin’i Comores, eo amin’ny U17.
Raha hiverenana kosa ny fifanintsanana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina. Ho an’ny U19, lavon’ny Akio de Madagascar, tamin’ny isa mazava 34 no ho 19, i Comores. Tsy nahatohitra ny tovovavy malagasy ny kaomorianina. Nanjaka tamin’ny tanjaka sy ny ara-teknika ary ny taktika ny Akio de Mada­gascar. Vao nanomboka dia efa hita niavaka ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, nahitana an-dry Fifaliana sy ry Stella niampy an-dry Nantenaina sy Sambatra ary i Diadema, mpiandry tsatoby izay nanakana tifitra maro.
Nitarika tamin’ny isa hatrany am-boalohany ny Mala­gasy. Tsy nahita hirika hamakiana ny vodilaharana malagasy mihitsy ry Ibrahim sy Rama hany mba mpilalao nanahirana ny Malagasy. Na izany aza, maika loatra ireo mpilalaon’ny Akio ka matetika tratry ny “marché”. Teo am-pialantsasatra, efa nitarika tamin’ny isa mazava, 18 no ho 5 ny Malagasy.
Fizaram-potoana faharoa, tsy niova fa mbola nanjakan’ny Akio ny lalao. Nisesy ny baolina maty. Ho an’ny sokajy U17 indray, nomontsanin’ny Akio, tamin’ny isa 52 no ho 4, i Seychelles.
Ambin-dalao tokana kosa no hatao anio, dia ny an’i Comores sy i Seychelles, ho an’ny U19 izay fiadian-toerana fotsiny.

Tompondaka

 

Partager sur: