Ho fampitiavana ny teatra: Holalaovina an-tsehatra ny « Iza no izy » ?

« Iza no izy » ? Tantara nosoratan’i Willy Rabarijaona. Holalaovina an-tsehatra, etsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte Famille Mahamasina, ny alahady 1 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tan­taram-pitiavana nanamarika ny vanim-potoanan’ny « tolona » tamin’ny taona 1947. Tazana ao anatiny ihany koa, anefa, ny hatsikana eny an-tsefantsefan’ny tantara. Ani­san’ny tanjona amin’izao seho izao ny fampitiavana sy ho fampivelarana indray ny teatra.
Raha nangingina teo amin’ny tontolon’ny zavakanto (asa soratra, fandrindrana an-tsehatra, fanentanana isan-karazany…) i Jimmy RJH. Fantatra izao fa izy no mpilalao fototra ao anatin’ny teatra « Iza no izy »? Iray amin’ireo manana traikefa matanjaka amin’ny kolontsaina raha eo amin’ny lalana nodiaviny. Ny mpanantalenta ao amin’ny Ekar Md Josefa Mahamasina no hiara-milalao aminy amin’ity indray mitoraka ity.
Raha tsiahivina, nanoratra sy nandrindra an-tsehatra ilay « Taratasy volamena » ihany koa izy. Niarahany namelona tamin’ny “Choeur Don Bosco” ny taona 2009. « Ondry tera-bao » niarahana tamin’ny Ekar Ambohibao, ny taona 2010… Efa nanana fandaharana antsan-tononkalo «Korin­tsam-panahy» tao amin’ny Radio Haja FM 100, sy « Rotsirotsy » ary « Angano miady rima » tao amin’ny RFD FM 96.2, samy Radio ao Antsirabe izy. Mpamoron-kira evanjelika sady mpihira ao amin’ny tarika Jimmy Rakoto ny tenany. Efa nilalao opera malagasy (Harambato, Lasa­lety, Variraiventy farany,…) tao amin’ny Hasin’ny Teatra ihany koa i Jimmy RJH.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: