Jly Ravalomanana Richard: “Aoka tsy hanaiky hampiadiana isika zandary”

Nanafatrafatra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny filohan’ny Antenimieran­doholona, ny Jly Ravaloma­nana Richard, tany Moraman­ga. Notanterahina ny alarobia teo ny lanonana ara-miaramila famindrana fibaikoana eo amin’ny kaomandy teo aloha ho an’ny Sekoly ambonin’ny zandary Moramanga, ny Jly Rabe­manantsoa Josh, sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Rama­mi­nirina Solofoniaina. Anisan’ ny niatrika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard.
Hentitra ity manamboninahitra ambony ity tamin’ny ha­fatrafatra ho an’ny eo anivon’ny zandary. “Aoka isika mba tsy hanaiky hampiadiana amin’ny mpitandro ny filaminana rahalahintsika na koa hampifandrafesina tomponandraikitra hafa”, hoy izy. Nankahe­rezi­ny ihany koa ireo zandary manerana ny Nosy. Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra izy ireny, araka ny nambarany. “Tsy tokony ho kivy koa na eo aza ny fampihorohoroana ara-tsaina maro samihafa amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera”, hoy ihany izy. Efa kaomandin’io sekoly io rahateo ny Jly Ravalomanana Richard ny marsa 2008 hatramin’ny 20 avrily 2009 ary manana firaiketam-po manokana amin’izany toeram-piofanana ho an’ny zandary izany. Zandarima­riam-pirenena rahateo ny te­nany ary niasa amin’ny maha manamboninahitra azy eo anivon’izany sampanasa izany nandritra ny 36 taona.

Sarin’ireo filoham-pirenena nifandimby
Etsy andaniny, natolotry ny filohan’ny Antenimieran­doholona ho an’ny minisitera delege misahana ny zandary ho an’ny foibe fibaikoana ary ho an’ny sekoly ambonin’ny zandary ao Moramanga ny sarin’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ary ny filohan’ny Antenimierandoholona nifandimby.
Tsiahivina fa notokanana tamin’izany koa ny kianja filalaovana volley-ball vao na­siam-panavaozana ao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena Moramanga.

Synèse R.

 

Partager sur: