Mihazakazaka ny fihodinan’ny ora, ny andro, ny volana. Hifarana sahady ny volana fahadimy, amin’ny taona 2025. Efa hisasaka ny taona, saingy mba inona re no vitan’ny tsirairay? Toa zara raha misy hisainana sy hanaovan-javatra ilay vanim-potoana. Toa miridana, mijonjorombona tsy ahafahana manangan-javatra.
Vanim-potoana tokony handinihin-tena izao ho an’ny olom-pirenena rehetra. Tsy mitombina intsony ny filazana fa ny volana desambra na ny faramparan’ny taona no fanaovana izany. Raha ny fotoana hiasana dia tsy ampy. Mitaky fahaiza-mitantana amin’ny lafiny rehetra ny zava-misy sy fomba fiaina ankehitriny.
Anisany tsy azo tsinontsinoavina ny fifehezana ny fotoana. Izay very na lanilany fahatany dia tsy hita misy miverina. Ny fotoana tsy nasiana hasina dia kaontin’ny fahavoazana. ” Vola ny fotoana”, hoy ny fiteny mahazatra. Marina izany satria ny fidororoana sy ny fihenahenana dia fatiantoka mihoapampana.
Izay tsy mahatsapa ny lanjan’izany fotoana izany no anisan’ny voa mafy indrindra amin’ny fiainana. Ny lasa tsy mba miverina intsony izany. Izay dila dia dila. Toy ny rano latsaka an-tany io, tsy misy azo raofina na harenina. Eo no tokony mba hahatonga saina. Mila milofo sy mifototra amin’izay safidim-piainana ny olona isanisany.
Raha fehezina, mila manonofy arahin’asa, anatin’ny drafitra mipetrapetraka ny tsirairay. Tsy manao revin-gadra akory fa revy azo tanterahina!
r.r