Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny lahatra tamin’ny lainga ireo olona nambakainy. Nampanamboariny taratasy ilaina amin’ny fidirana miasa, ireo voasoloky ireo. Nangalany lelavola ho solon’ny fampidirana azy ireo hiasa eo anivon’ny orinasa voalaza. Niova toeran-kafa indray io lehilahy io ary nanohy ny asa ratsiny. Tafakatra efatra ireo lasibatra. Nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana ho samy tsy nisy nahazo antso an-telefaonina an’io mpisoloky io intsony ireo niharan’ny fisolokiana taorian’ny fahalasanan’ny volan’izy ireo.
Tsiferana R.