Rap mampiray. Rap mitondra hafatra. Hampitan’ireo milomano ao anatiny ny fijeriny izay miainga anatin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana ny hetsika.
Tsy hoe ratsy sy tsara ! Fa misy kosa ny zokiny sy zandriny amin’ireo samy mpisehatra amin’ny rap gasy. Miezaka manome sehatra ny rehetra ny vondrona Kolontsaina Mainty. Taorian’ny « Zaza Rap Taiza » sy ny « Repoblika », miala any ny « Playlisitra », hetsika hiompana manontolo amin’ny tontolon’ny hip-hop sy ny rap. Hotontosaina rahampitso 31 mey izany, etsy amin’ny Kianja Barea, manomboka amin’ny 12 ora. Nosafidiana manokana ho ireo mpanao rap ankehitriny no hifandimby an-tsehatra mandritra io fotoana io : Alf, Fab’s Brownz, Louckim, Rao Lossa, Geoscar, Berriz’ Jah, Rndr, Yrist, Ratsilahy, Yo Kenny, Kii Bass, Saboodaok, Septic, Double G, Kipikilahy Bandem, Fitia, sns. Handrindra sy hitrotro ny mozikan-dry zalahy ireo eo amin’ny fikosehana kapika i Dj Yatang sy i Dj HMan. Hanolotra ny hetsika kosa i Barry Benson.
Maninona no ireo? Satria mila fijery mitovy, manondro sy mirona mankany amin’ny tanjona iray. Satria misy vondrona tanora kendrena manokana, hampita lalan-tsaina sy handray hafatra ao anatin’izay. Satria koa ireo no miaka-daza amin’izao fotoana izao, mitondra ny endriky ny rap gasy ankehitriny.
Tsy fanomezana sehatra ireo mpanakanto mpanao rap fotsiny ny tanjon’ny Kolontsaina Mainty amin’ny « Playlisitra ». Eo indrindra koa ny fivoizana ny lalan-tsaina tozoin’izy ireo, dia ny fahafahana amin’ny endriny rehetra, indrindra ny fahafaha-maneho hevitra. Eo koa ny ady amin’ny tsy rariny, izay manjaka loatra anatin’ny fiarahamonina, ka anisan’ireo lohahevitra voizin’ny mpanao rap gasy amin’izao fotoana.
Soatoavina iraisan’ny vondrona Kolontsaina Mainty amin’ny Orange Madagascar izay, ka nahateraka ny fiaraha-miasa. Nanolo-tanana hanohana ny famoronana, ny fahasahiana ary ny fampiatiana entin’ny Kolontsaina Mainty ny Orange Madagascar. Mameno izany ho toko telo mahamasa-nahandro ireo tanora mpankafy, fa mpisehatra ihany koa anatin’ny fiarahamonina, mba hampamiratra ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, izay efa mametraka tsikelikely ny toerany.
Zo ny Aina