Nanomboka omaly, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, andiany fahatelo, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana fanao isan-taona, ity lalao ity, nanomboka ny taona 2022 ary niato kely ny taona 2023. Ny ligin’i Vakinankaratra, taranja basikety, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny basikety no mikarakara ny fifaninanana, ka manoloana ny gara no hanaovana izany. Nahitana fiakarana ny mpandray anjara tamin’ity taona ity, araka ny nambaran-dRarivoharison Setra Thomy, tomponandraikitry ny Basikety 3×3 ao Vakinankaratra, satria mahatratra ekipa 150 no nisoratra anarana, ahitana mpilalao maherin’ny 600. Sokajy 4 lahy sy vavy mifangaro no hifaninana amin’ity “Shoot Out” andiany fahatelo ity. Ahitana ny Sokajy latsaky ny 14 taona, 17 taona, Wide Open ary ny Elite. Fifaninanana anisan’ny mamolavola ireo taninketsa ity fifaninanana ity ary hahafahana mitily ireo mpilalao hoavin’ny basikety 3×3. Ahitana talenta maro hatrany ny fifaninanana isan-taona. Tsiahivina fa hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny “Shoot Out” andiany fahatelo, tontosaina any Antsirabe ity.
Mi.Raz