Maro amin’ireo mpankafy ny taranja baolina kitra malagasy no manaitra ny tomponandraikitra ankehitriny mahakasika ny Kianja Barea. Tsy nahenoina tohiny intsony moa ny resaka momba ity kianja ity amin’izao fotoana izao.
Hanomboka anio 30 mey ary hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley. Any Toamasina, eo amin’ny torapasika ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana, araka ny fandaharam-potoana.
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondaka eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, sokajy U20. Anisan’ny hifandona eo amin’ny sokajy lehilahy, ny NBE sy ny COSPN.
Araka ny fikarohana natao, nanomana zavatra ho an’ny klioba Paris Saint Germain ny ao Frantsa amin’izao fotoana izao mba hiatrehin’izy ireo ny famaranan’ny Ligue des Champions. Ankoatra ny fampitana mivantana ny lalao famaranana ao an-kianjan’ny Parc de Prince, hirehitra ny Tour Eiffel isaky ny baolina tafiditry ny PSG.