TARATRY ny KANTO

« Ny hasin’ny Teza eo amin’ny Betsileo ». io ny lohahevitry ny atrikasa karakarain’ny Mozean’ny Oniversiten’Antananarivo, izay hatao anio manomboka amin’ny 10 ora, eny amin’ny ICMAA Isoraka. Hizara fahalalana mandritra izany Rakotozafy Andriana avy any Kiangara, Andriamilanto (ben’ny Tanànan’i Sahatona) ary Rahajasoa, mpiresaka. Nosafidiana noho ny fifehezany ny lohahevitra izy ireo.
Hotontosaina anio ny « Sandratsy gn’Anôsy ». Hetsika hanasongadinana ny kolontsaina avy ao amin’ny faritra Anôsy izy ity, izay hatao manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Fort Dauphin. Hisy ny diabe mamakivaky tanàna, hanehoana ireo fitafy sy dihy nentim-paharazana Tanôsy izay mbola nolovaina ankehitriny. Eo koa anefa ny fanehoana ny zavakanto ankehitriny, hanehoan’ireo tanora ny talentany.
Mbola Talenta sy Inah, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ity fiarahana ity. Anisan’ny toerana nanombohan’ny fiarahana sy nankafizan’ny mpankafy voalohany ny seho an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto tao. Maro ireo hira narindran’i Mbola Talenta sy Inah, araka ny andrasan’ny mpankafy amin’izy ireo. Hisy mpanakanto namany hifanampy mandritra izany.
Anisan’ireo mpaka sary an-gazety misongadina aty Afrika i Danielson Rado Andrianjanakolona. Anisan’ireo hahazo fankasitrahana mandritra ny « Oscars de la photographie africaine 2025 » izy. Mandritra ny lanonana izay hotanterahina ny 15 novambra izao, any Lomé Togo no hanolorana izany. Ny fakana sary ireo hetsika ara-kolontsaina, toa ny « Fitampoha » no tena nampisongadina azy, ka nahazoany izao fankasitrahana izao.

Partager sur: