Mifarimbona amin’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana ireo tomponandraikitra eny ifotony ao amin’ny distrikan’Ikongo amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny tazomoka. Eo koa ny fanentanana amin’ny fisorohana ny aretina. “Maimaimpoana ny fitsaboana rehetra, toraka izany koa ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny marary”, hoy ny talem-paritry ny Fahasalamana any an-toerana, Randriamiadana Jacques. Nohamafisina izany tao amin’ny kaominina Ambatofotsy, fokontany Mahasoa, izay nahitana fahafatesana nifanesy. Nanomboka ny tapaky ny volana marsa ny trangana tazomoka tao Ikongo. Tao ireo tara loatra vao namonjy toeram-pitsaboana ka nananosarotra ny fitsaboana. Nanamafy ny tomponandraikitra fa tsy voatery ho tazomoka avokoa no nahafaty ny olona tao anatin’izay 2 volana izay. Nanamafy ny governora, Razafitsotra Lucien Laurel, ny amin’ny fampiasana lay ho fiarovana ny kaikitry ny moka izay fototry ny aretina. Tsy tokony hovoizina amin’ny resaka politika mety hanakorontan-tsaina ihany koa ny tranga izay efa fehezina amin’izao fotoana izao satria miara-mientana ny hery velona rehetra.
Tatiana A