Tratry ny « caméra de surveillance » : Ankizilahy 12 taona nandoro kidoro 30 isa

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny ankizilahy 12 taona nandoro kidoro am-polony tao Ampasam­bazaha, kaominina Fiana­rantsoa. Nitrangana fahamazaina tampoka tao amin’ny toeram-pivarotana kidoro iray tao an-toerana, ny alahady 25 mey teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirehitra tampoka ny kidoro namidin’ny tompon-tsena. Nalaky azon’ny afo ireo entana ireo ka niteraka fatiantoka ho azy ireo. Niroso tamin’ny fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra izy ireo. Voamarina tamin’ny alalan’ny horonantsary azon’ny “camera” fa nodoran’ny ankizilahy mpivezivezy eo an-toerana ireo kidoro. Nahazo ny kioska tsy lavitra ireo kidoro ny afo. Nosamborina io ankizilahy io ka nentina natao famotorana. Mpirenireny an-dalambe, tsy fantatra mazava ny antony nanosika io ankizy io hanaotao foana. Mpitsaoka ny trano fonenany io ankizilahy io, araka ny angom-baovao voaray. Nitarika tamin’ny fandaozany ny tokantrano izany ka niafara tamin’ny fahapotehan’ny fiainany. Niakatra fampanoavana afakomaly ny raharaha ka nohazonina vonjimaika io ankizilahy io. Ma­rihina, mananosarotra ho an’ny ray aman-dreny ny fitaizana ireo ankizy sy tanora vao erotrerony amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: