Nodorana tany Ankadilalambe, afakomaly, ireo rongony 42 kitapo tratran’ny Polisim-pirenena tany Ihosy. Nitarika ny fandorana izany ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy. Notronin’ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin’ny Zandarimaria. Tratra ny 11 mey teo ny rongony 34 kitapo tamin’ny lalam-pirenena faha-7, ny 12 mey kosa ny rongony tao anaty gony 08.
Nentanin’ny polisy avy amin’ny Kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka (CSP) ao Vohémar ireo mpitondra bajaj rehetra, ny 27 mey lasa teo. Hanatsarana ny fifamoivoizana sy hampihenana ny loza ny anton’ny hetsika. Nisy ny fitarainan’ny mponina fa anisan’ny mandeha mafy ary mitondra olona mihoatra ny tokony ho izy sy entana be loatra izy ireo. Hisy ny fepetra sy sazy hentitra mifanaraka amin’ny lalàna raha mbola misy ny tsy manaraka ny toromarika.