Miisa 883 ny tebok’afo hitan’ny zanabolana, ny 26 mey teo. Tena nahitana azy ny tapany andrefan’ny Nosy, fa misy koa ny afo any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Melaky, Menabe, Sofia. Maro ny Faritra Arovana nahitana trangan’afo tamin’ireo.
Havaozina ny fanomezan-dalana hanondrana lavanila mankany ivelany. Hisy ny rafitra hanohanana ny mpamboly sy hanamafisana ny rafitra mpanara-maso. Tanjona ny hiarovana ny lentan’ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Havaozina, noho izany, ny didim-pitondrana nivoaka ny taona 2013 sy ny 2016, hanatanterahana ireo.
Hanolo-tanana ny orinasa madinika ny Emira Arabo mitambatra, hanohanana ny fandraharahana eto amintsika izy ireo. Tanjona ny hidiran’ny orinasa malagasy amin’ny tontolo ara-barotra mavitrika sy mirindra ary hampiroboroboana ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny firenena roa tonta ho fampandrosoana ny toekarena.
Mikasa hiara-miasa amin’ny orinasa Webb Fontaine Group FZ-LLC i Madagasikara hampivoarana ny fitantanambolam-panjakana. Manana traikefa amin’ny fahaiza-mampiasa ny haitao ara-kajy mirindra ity orinasa ity. Tanjon’ny fitondrana ny hanatsara sy hametraka ny mangarahara amin’ny alalan’ny fampiasana ny niomerika eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola.